<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Kug</author>
<lyrics>[V1]
 Misaotra Anao, Jesosy ô,
 Ny olom-boavonjy,
 Fa be dia be ny indrafo
 Nataonao, ry Mpamonjy ;
 Fa tonga ory Hianao,
 Ny ainao no natolotrao
 Nisolo ny mpanota

[V2]
 Ampibebaho izahay
 Ho olonao manoa ;
 Ny ota ivesaranay
 Esory avokoa,
 Ny fifaliana vaovao
 No aoka mba hasolonao
 Ny alahelom-ponay.

[V3]
 Ampio izahay izao
 Hinoanay ny teny
 Izay nolazain'ny vavanao,
 Fa tanjakay ireny :
 Izao no angatahinay,
 Mba hatanjaho izahay
 Hanaraka izany.</lyrics>
<title>Misaotra Anao, Jesosy o! FFPM601</title>
<hymn_number>601</hymn_number>
</song>